bonjour daholo indray ô!
Elaela indray tsy nanoratra teto.
Ny vaovao dia
- ny fahavitan'ny concert de noël natao ny 31 janvier 2010 teo izay tena tsara tokoa. Ny olona nanatrika ataoko fa nahatsapa ny hafatra tiana nampitaina dia ny hoe misyfifaliana 'Lehibe' ho an'ny olona rehetra, izay tsy inona akory fa ny fananan'ny tsirairay antoka ny amin'ny fiainany ety sy rahatrizay. Ilay antoka dia Jesoa sy ny famonjena vitany. Ny tena tsara koa tamin'iny dia ny zava-maneno izay 'complet' (basse-batterie accoustique, 2claviers, guitare electrique) ary ny fanomanana dia hita miha matotra.
Marihina moa fa ny zatovo zokiny no tena niandraikitra 100% ny fanomananarehetra (Njaka, Mihary, Henitsoa, Fandresena, Tahina) izay isaorana be dia be. Hiezaka handefa saray aho e!
- Efa niditra koa ny sekoly asabotsy ka izaho (Laza) dia tsy 'miasa' aloha amin'ity taona ity fa i Grâce sy Lalaina vadiny miampy an'i Faniry ny moniteurs vaovao ao izao.Tsara ho entina am-bavaka izireo fa tena vaovao tokoa sady tsy tena ampi fiomanana aloha hatreto.
Dia izay indray àry aloha va veloma daholo e!
Laza
Derniers Commentaires