Mardi 8 septembre 2009 2 08 /09 /Sep /2009 13:33
Faly miarahaba anareo indray ny tenako,
Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny amin'ny fitondrany sy ny fitantanany ny zatovo eto amin'ny FBB Ankadifotsy hatramin'izao.
Tanteraka soa amantsara ny 'sortie' izay nataon'ny zatovo  ny 01 aout 2009 teo tany amin'ny Parc Peyreras Marozevo.
Tamin'ny 8ora maraina mahery vao tafainga na dia nikasa ho tamin'ny 7h30 aza, fa misy foana ihany moa ny tara.
Dia roso ny dia, niaraka tamin'i Pst Christian Razafisolo mianakavy, ka rehefa 10 km sisa tsy ho tonga dia saika niharan-doza izahay, fa latsaka tany amin'ny tatatra havia ny fiara nitondra anay raha iny saika hisongona iny no nisy fiara nifanena tampoka. Ny fiara no nisy fahasimbana kely ka fiara hafa avy aty Manjakandriana no nanatitra anay tany. Tsy nisy naninona akory izahay fa taitra be fotsiny.
Dia nahafinaritra ny fitsidihana tany : nahita karazam-biby maro be toy ny sifaka, lémurien fulvus, caméléons, crocodile, grenouille, bibilava (maro no sahy nandray an-tanana na dia somary natahotra aza) ...
Rehefa vita ny sakafo atondro, tamin'ny 2 ora tolakandro tany ho any dia raikitra ny lalao ka ny karazana fanenjika no tena natao dia ny police-voleur aloha ary avy eo, maison-hôpital-bureau, ka tena nahafinaritra tsy nisy toy izany. Izay koa mantsy vao mba tena nanao sortie any anaty zava-boary, ny rivotra madio, ny tokotany malalaka be dia bozaka daholo ... tena tsara e! Tena tsara Andriamanitra sady tena tia anay koa izy ary namindrafo taminay ka nanome fifaliam-be ho anay.
Rehefa tonga moa ny tamin'ny 3 ora dia tsy maintsy nody ihany ka dia tonga soa teto tana tamin'ny 5 ora hariva 
Ho anao Andriamanitra ny saotra sy ny voninahitra.

Laza
 
Par Moniteur
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Retour à l'accueil

Présentation

Derniers Commentaires

Recherche

Calendrier

Mai 2012
L M M J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
<< < > >>

Créer un Blog

 
Créer un blog gratuit sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus