Mardi 12 mai 2009 2 12 /05 /Mai /2009 15:53
Ialana tsiny raha izao vao manoratra indray fa 'nisy kirizy'

Misaotra an'Andriamanitra fa vita soa aman-tsar iny fety iny.

Rahefa nataotsika ny jery todika (sur papier) dia hita fa tafita aloha ny hafatra tiana nampitaina tamin'izay nanatrika. Ary nyfahitanareo zatovo azy koa dia tsara tamion'ny ankapobeny.

Raha amin'ny lafiny tekinika indry dia azo lazaina fa efa tena nivoatra tsara ny zavatra nataon'ny zatovohatramin'izao : mahatadidy tonon-kira kokoa, mahay miaraka tsara kokoa ny mpitendry ( Njaka 1e clavier, Rojo 2e clavier, Herilala boite à rhythm, Manoa sy Tendry guitare)
Misaotra an'ireo nanao ny voix off ihany koa (Fandresena, Henitsoa, Mirah,) na tsy tsara aza tamin'ny 'live' dia any anaty film izy tena vita tsara (montage video)
Misaotra an'i Marc ihany koa nanampy tamin'ny projection text, misaotra an'i Lando tamin'ny camescope, ary misaotra an'i tonton José tamin'ny sonorisation.
Misaotra ireo nijoro vavolombelona ihany koa (Miharintsoa, Tahiana, Fanja)
Misaotra an'i Claude tamin'ny introduction.

Antenaiko fa hitohy ny fiarahanareo zatovo miasa amin'ny monoteur toy ireny amin'ny hevitra, amin'ny fanomanana...
Ho tapahitsika alohaloha (avant Juin 2009 ) izay tokony ataotsika indray amin'ny faran'ny taona dia atao tsara satria tsara Andriamanitra.

Ny sary momba io fety io dia mbola ho avy, na ny sary hafa koa aza.... Fa teo aloha teo aho mantsy somary mbola sahirana fa izao aho vao vonombonona ny hameno ity blog ity indray.

Izay àry kloo fa veloma indray
Laza

Par Moniteur - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 1 commentaires
Retour à l'accueil

Commentaires

Misaotra anao mikarakara fa tsara be de mahereza hatrany fa fanompoana aby
Commentaire n°1 posté par tahiana sy Claude le 01/08/2009 à 11h16

Présentation

Derniers Commentaires

Recherche

Calendrier

Mai 2012
L M M J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
<< < > >>

Créer un Blog

 
Créer un blog gratuit sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus