Mercredi 22 juillet 2009 3 22 /07 /Juil /2009 13:42
Faly indray ny tenanay miarahaba anareo mpamaky hajaina.

Ela be zay tsy nanoratra!
Inona   no vaovao ? Tsisy!
Misy ka :

1-Tsy ny 25 juillet indray aloha no manao sortie ny zatovo fa ny 1 août 2009, ka nitoerana kasaina dia any Marozevo , 60km eo ho eo avy aty Antananrivo mankany Toamasina, (raha tonga any toamasina moa isika dia ahoana? hi hi hi). Ny anton'io dia satria tsy misy lasy amin'ity taona ity, sady mba mijery ny zavaboary nataon'Andriamanitra akaikikaiky kokoa e! Ny ragidro moa notena jerena satria hohita miriaria eny izy sady manatona olona mihitsy! Raha sitrapon'Andriamanitra dia hi tanteraka izany.

2-Ny  famaranana ny taom-pianarana eto am-piangonana dia atao ny alahady 2 août 2009, ka tsara raha mba mamerina tsra ny tsianjery indrindra ny sekoly asabotsy (Salamo 91), ny ny lesona izay vita (Ny fiangonana, Ny safidy)

3-Misaotra an'i Njaka taminin'ny fandraisana anjara tamin'ny fampianarana ny zatovo namana tamin'ny tapabolana (lesona 'Tany nampanantenaina'),

ary isaorana torak'izany koa i Miharitsoa tamin'ny alahady teo nanao ny fampianarana 'Ny mpitsara'. Tena tsara avokoa ny nataonareo, ary antenaiko fa ianareo aloha ny nahay tsara ny zavatra nampianarinareo sy nahazo lesona tsara voalohany. Dia manantena fa mbola hazoto hatrany handray anjara amin'ny manaraka. 


4-Vita soa aman-tsara koa ny veillée niarahan'ny zatovo sy tanora izay natao ny zoma 11 juillet teo tany amin'ny tantine Mamy nandihina ny lohahevitra hoe 'Choix du conjoit' sy 'Comment attendre'. Betsaka ihany ny zavatra azo tany fa manantena fa mbola hisy fanazavana bebe kokoa eto amin'ny blog amin'ny manaraka.

Dia izay indray ary aloha fa amin'ny manaraka e!
Zay mandalo dia mba mametraha 'kely', commentaire e!

 
 
Par Moniteur - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Mercredi 3 juin 2009 3 03 /06 /Juin /2009 07:49

Salut !
Noho ny fahamaroan'ny ankizy tsy afaka 'tampoka' ny amin'ilay sortie tokony natao tamin'ny alatsinainy teo (lundi de pentecôte) dia nofoanana izany. Ho hita eo amin'ny manaraka izay fotoana hanaovana izany ka ahafahan'ny rehetra. Ny AGAPE amin'ny alahady izao (7 juin 2009) no irina mba ho tanteraka  aloha, raha sitrapon'Andriamanitra.
Ny sekoly alahady dia tsy nisy koa tamin'ny alahady teo noho ireo fivoriana samihafa, fa aorian'ny amin'ny alahady izao, izany hoe amin'ny tapa-bolana dia hitohy ihany izany. Anjaran'i Rojo izao no mampianatra amin'io. Misaotra betsaka an'i Miharintsoa tamin'ny fampianarana izay nandraisany anjara tamin'ny farany teo. Tena mety tsara fa mahereza raha mbola hanao amin'ny manaraka.
Amin'ny sabotsy izao dia misy ihany ny club, miditra amin'ny 2h30 ihany. Efa vita ny lesona 'Fiangonana' nampianarin'i Pst Rasolonjatovo fa mitohy amin'ny resaka 'choix', sy 'choix  du conjoint' ary 'sexualité' indray izao no lesona manaraka.
Dia tongava foana daholo e!
 
Par Moniteur - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 1 commentaires
Mardi 19 mai 2009 2 19 /05 /Mai /2009 16:53
Bonjour daholo indray ô!
Araka izany dia, miverina amin'ny laoniny ny club du samedi, rehefa avy tsy nisy elaela noho ny kirizy (krimôzel, sy limônady) fa ny sekoly alahady moa iny efa nisy foana.
Ka ny zavatra ianara ao amin'nu club izao dia 'Fiangonana' amin'ity 'mois de mai' ity ary 'sexualité' (zatovo zandriny) sy 'choix du conjoint'(zatovo zokiny) amin'ny 'mois de juin'.
Misaotra an'i Manoa sy ry Njaka, Miharintsoa, Henitsoa ... tamin'ny fandraisana andraikitra tamin'izaho tsy teo matetika ireny, efa ho eo foana amin'izay e!
Fantatra koa izao fa 18 juillet ny clôture ary 25 juillet ny sortie lavitra (any Marozevo) raha sitrapon'Andriamanitra (solon'ny lasy io fa tsy hisy lasy amin'ity taona ity ...snif...) .
Ny 'sortie' akainy izay atao ny 'lundi de pentecote' dia na eny Ambohitrimanjaka na Ambohimanambola.

Misaotra ani Fandresena tamin'ny fitarihana ny sekoly alahady (17 mai 2009 teo), tena nety tsara...tohizo, ary mampahery izay mbola handray anjara ihany koa ô! Mihary izao no manaraka, dia rojo avy eo ...

Izay aloha fa mazotoa daholo.

Za
 
Par Moniteur - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Mardi 12 mai 2009 2 12 /05 /Mai /2009 15:53
Ialana tsiny raha izao vao manoratra indray fa 'nisy kirizy'

Misaotra an'Andriamanitra fa vita soa aman-tsar iny fety iny.

Rahefa nataotsika ny jery todika (sur papier) dia hita fa tafita aloha ny hafatra tiana nampitaina tamin'izay nanatrika. Ary nyfahitanareo zatovo azy koa dia tsara tamion'ny ankapobeny.

Raha amin'ny lafiny tekinika indry dia azo lazaina fa efa tena nivoatra tsara ny zavatra nataon'ny zatovohatramin'izao : mahatadidy tonon-kira kokoa, mahay miaraka tsara kokoa ny mpitendry ( Njaka 1e clavier, Rojo 2e clavier, Herilala boite à rhythm, Manoa sy Tendry guitare)
Misaotra an'ireo nanao ny voix off ihany koa (Fandresena, Henitsoa, Mirah,) na tsy tsara aza tamin'ny 'live' dia any anaty film izy tena vita tsara (montage video)
Misaotra an'i Marc ihany koa nanampy tamin'ny projection text, misaotra an'i Lando tamin'ny camescope, ary misaotra an'i tonton José tamin'ny sonorisation.
Misaotra ireo nijoro vavolombelona ihany koa (Miharintsoa, Tahiana, Fanja)
Misaotra an'i Claude tamin'ny introduction.

Antenaiko fa hitohy ny fiarahanareo zatovo miasa amin'ny monoteur toy ireny amin'ny hevitra, amin'ny fanomanana...
Ho tapahitsika alohaloha (avant Juin 2009 ) izay tokony ataotsika indray amin'ny faran'ny taona dia atao tsara satria tsara Andriamanitra.

Ny sary momba io fety io dia mbola ho avy, na ny sary hafa koa aza.... Fa teo aloha teo aho mantsy somary mbola sahirana fa izao aho vao vonombonona ny hameno ity blog ity indray.

Izay àry kloo fa veloma indray
Laza

Par Moniteur - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 1 commentaires
Vendredi 26 décembre 2008 5 26 /12 /Déc /2008 11:29

Salama daholo e!
Joyeux noël à toutes et à tous
Faly miarahaba anareo tratry ny krismasy  2008 e!

Ny vaovao dia misy :
Ny an'ny chorale moa no efa vita ny fiderana mikasika ny krismasy  fa ny an'ny zatovo no mbola atao amin'ny 11 janvier 2009 raha sitrapon'Atra ka velonaina.

Ny Lohahevitra amin'izany dia
" INY JESOA INY DIA MBOLA HIVERINA - KOA MIOMANA
"

Ny tena atao amin'izany dia hira sy tenin'Atra hifampaherezana  hoan'izay efa 'ao amin'i Jesoa Kristy' ary fitoriana hoan'ny hafa.

Koa manasa anareo izay mamaky ity lahatsoratra ity mba ho avy hanatrika ny fotoana amin'ny
11 janv 2009 @ 2h30
eto amin'ny fiangonana batista biblika Ankadifotsy, tsy misy vidim-pidirana fa tonga dia tongava fotsiny.

dia izay indray àry aloha fa samia ho tahian4andriamanitra ka hahatratra ny taona vaovao e

Moniteur

Par Moniteur
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires

Présentation

Hafatra Farany

Recherche

Recommander

Créer un blog gratuit sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus