Mardi 2 décembre 2008
2
02
/12
/Déc
/2008
16:20
Manahoana indray e!
Vita soa indray ny fivorian'ny ray aman-dreny izay natao ny 15 nov teo ary efa nadray anjara amin'ny fitantanana ny fotoana rehefa tsy eo aho ry 'zoky' isany. Misaotra e!
Miala tsiny aho raha hisaotra manokana an'i Henintsoa sy Claude sy.... Dia mba mazotoa koa ny sasany e!
Ny fivoriana dia niresahana indrindra ny momba ny famonjen'ny zatovo tsirairay. Ny RAD no tompond'andraikitra voalohany amin'ny famonjen'ny zanany. Ny moniteur sy ny mpitandrina manampy sy manao
izay tandriny azireo.
Raha misy tsy azonareo koa rankizy, na mbola mila halalinina ny mikasika ny famonjena dia aza misalasala manatona ny moniteur na mpitandrina ary indrindra ny RAD.
Noresahina tao koa fa ny Club dia mitaiza ny zatovo na mpino izy na tsia. Mitaiza ho amin'ny fahalalana bebekokoa ny amin'Andriamanitra, ny
fiainana miaraka amin'ny mpino, samy zatovo....Ahafantarana zavatra maro mikasika ny fiainana andavan'andro toy ny fianarana, fitiavana, namana, mozika, drogue, gestino de temps....Mbola ho avy
ny Page sy ny liens mikasika ireo atsy hoatsy fa mivavaha ho ahy izay mikasa hanao izany. Nefa raha misy mazoto ianareo ry zatovo ny hanoratra page mikasika izay thème efa vitantsika hatrizay dia
tena tsara. Izay indray aloha ny androany. Fa amin'ny sabotsy izao indray e! Aza adinoina ny fianarana solfa @ 2 an, veloom!
Par Moniteur
-
Publié dans : Vaovao
1
Mercredi 12 novembre 2008
3
12
/11
/Nov
/2008
16:22
Dia faly indray aho misaotra an'Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny sortie natao teny Ivato.
Ary misaotra an-dry tonton Albert sy tantine Vonisoa koa tamin'ny fampiantranoana ny zatovo, Andriamanitra anie hameno anareo amin'ny fahasoavany
mandrakariva.
Mitohy ihany ny club araka izany. Izaho izay hany moniteur izao dia tsy ho afaka manatrika fotoana amin'ny sabotsy 15 nov izao fa dia ankinina aminareo zatovo zokiny ny fikarakarana ao.
Antenaina fa "hahavita azy" ianareo ry zoky isany, mahereza!!
Izay indray aloha ny androany fa amin'ny manaraka e!
Moniteur
Par Moniteur
0
Vendredi 7 novembre 2008
5
07
/11
/Nov
/2008
14:09
Dia faly miarahaba antsika indray. Izao taona 2008 izao indray va "afaka" manoratra ato, isaorana Andriamanitra.
Efa niditra ny zatovo 2008 -2009, maro ny zatovo vao niakatra. Ny fanomanana ny Krismasy mazava ho azy no tena atao izao. "Ho avy Jesoa", izay no lohahevitra. Ny daty anaovana azy dia ny 11 janvier
2009 ao am-piangonana Batista Biblika Ankadifotsy ihany amin'ny 2h30m hariva. Tena mandray anjara betsaka amin'ny fanomanana ireo zatovo zokiny= les 16 ans est plus, dia isaora betsaka ianareo ry
'Zoky'.
Rahampitso izao izahay hanao 'sortie' any Ivato, amind-ry Tantine Vonisoa sy Tonton Albert, fa i Vonimpitiavana mantsy efa zatovo!
Dia izay indray aloha ny androany fa manantena fa hanoratra ato matetika amin'izay
Moniteur
loolaza@yahoo.com
Par Moniteur
-
Publié dans : Vaovao
0
Mardi 10 avril 2007
2
10
/04
/Avr
/2007
15:39
Misaotra an'Andriamanitra noho ny fahasoavany ka afaka nanangana ity takelaka tranokala ity ary koa faly miarahaba anareo rehetra izay mahita ity bilaogy ity ny tenako ary mirary anareo ho tamana mitsidika ity mba hanovo ny soa na koa hizara izay tsaranareo.
Mazoto daholo àry e!
Laza
Par Laza
0
Hafatra Farany