Mercredi 7 avril 2010 3 07 /04 /Avr /2010 11:19

bonjour daholo indray ô!

Elaela indray tsy nanoratra teto.

Ny vaovao dia 

- ny fahavitan'ny concert de noël natao ny  31 janvier 2010 teo izay tena tsara tokoa. Ny olona nanatrika ataoko fa nahatsapa ny hafatra tiana nampitaina dia ny hoe misyfifaliana 'Lehibe' ho an'ny olona rehetra, izay tsy inona akory fa ny fananan'ny tsirairay antoka ny amin'ny fiainany ety sy rahatrizay. Ilay antoka dia Jesoa sy ny famonjena vitany. Ny tena tsara koa tamin'iny dia ny zava-maneno izay 'complet' (basse-batterie accoustique, 2claviers, guitare electrique) ary ny fanomanana dia hita miha matotra.

Marihina moa fa ny zatovo zokiny no tena niandraikitra 100% ny fanomananarehetra (Njaka, Mihary, Henitsoa, Fandresena, Tahina) izay isaorana be dia be. Hiezaka handefa saray aho e!

- Efa niditra koa ny sekoly asabotsy ka izaho (Laza) dia tsy 'miasa' aloha amin'ity taona ity fa i Grâce sy Lalaina vadiny miampy an'i Faniry ny moniteurs vaovao ao izao.Tsara ho entina am-bavaka izireo fa tena vaovao tokoa sady tsy tena ampi fiomanana aloha hatreto.

Dia izay indray àry aloha va veloma daholo e!

Laza

Par Moniteur - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Mercredi 6 janvier 2010 3 06 /01 /Jan /2010 08:21
Bonjour daholo ndray e! Dia miarahaba antsika nahatratra ny taona 2010 indray noho ny fitahian'Andriamanira e!
Enga anie ka ho taona hitomboantsika amin'ny fanarahana an'Andriamanitra indray ity taona ity ary izany dia ho eo ambany fahasoavany sy famindrapony.

Ny vaovao dia ny 'concert' izay hataon'ny Zatovo amin'ny 31 janvier 2010 izao. Ny theme dia mitovy amin'ny an'ny Chorale sy Ankizy ihany : "...Fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra..." (Lioka 2 : 10)
Ny toerana dia ato am-piangonana ihany ary ny hariva amin'ny 2h30, sady agape io an

Ny fanomanana azy io dia tena niandraiketan'ny Zatovo zokiny tanteraka, izahay moniteur dia manampy fotsiny.
Miharitsoa no 'directeur', Tahiana Razafindrakoto + Miharutsoa no miandraikitra ny tenin'Andriamanitra (tsianjery...), Njaka, Fandresena, Henintsoa no miandraikitra ny hira, Manoa, Fandresena... no ao amin'ny fitaovana.

Efa mandroso tsara ny fanomanana fa dia ankinina amin'Andriamanitra mba ho tanteraka soa aman-tsara ny fotoana amin'io izay anasana ihany koa izay rehetra afaka ny ho tonga.

Izay ary aloha ny androany fa aza adinoina ny mijery ny blogn'ny FBB Ankadifotsy  http://batistankadifotsy.wordpress.com/ 

Jereo ihany ko afa misy sary betsaka ao amin'ny Album photoantsika ao e!

Laz
Par Moniteur - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Lundi 2 novembre 2009 1 02 /11 /Nov /2009 09:33
Faly miarahaba antsika rehetra indray
Ny vaovao faramparany di any fahavitan'ny batisa izay natao tamin'ny 4 octobre 2009 teo teny Ambatofotsy. Ka maromaro tamin'ireo natao batisa no zatovo efa sady 'tanora' ka dia indro ary ny album (sary) voalohany mikasika izany. Misaotra an'i Miantsa naka ny sary.
Mbola hisy ihany ny fanampi-baovao rah sitrapon'Andriamanitra.

Efa eo am-panomanana ny krismasy 2009 indray izao ka ny zatovo zokiny miampy  tanora (Herilala, Tahina) no manao ny fanomanana sy mandray anjara feno amin'ny fampianarana hira, tenin'Andriamanitra ...Izaho (Laza) moa somary naka aina kely aloha, izany hoe tsy dia ho tazana firy aloha amlin'ity taom-pianarana ity, fa o Tonton José eo foana ihany.

Dia mazotoa daholo e!

Par Moniteur
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Mardi 8 septembre 2009 2 08 /09 /Sep /2009 17:02
Bonjour e!
Misy sary taloha betsaka azo jerena ao amin'ny album e! Eo amin'ny ilany ankavanana eo misy hoe Album photo


Dia mazotoa mijery e!
Laza
Par Moniteur - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 1 commentaires
Mardi 8 septembre 2009 2 08 /09 /Sep /2009 13:33
Faly miarahaba anareo indray ny tenako,
Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny amin'ny fitondrany sy ny fitantanany ny zatovo eto amin'ny FBB Ankadifotsy hatramin'izao.
Tanteraka soa amantsara ny 'sortie' izay nataon'ny zatovo  ny 01 aout 2009 teo tany amin'ny Parc Peyreras Marozevo.
Tamin'ny 8ora maraina mahery vao tafainga na dia nikasa ho tamin'ny 7h30 aza, fa misy foana ihany moa ny tara.
Dia roso ny dia, niaraka tamin'i Pst Christian Razafisolo mianakavy, ka rehefa 10 km sisa tsy ho tonga dia saika niharan-doza izahay, fa latsaka tany amin'ny tatatra havia ny fiara nitondra anay raha iny saika hisongona iny no nisy fiara nifanena tampoka. Ny fiara no nisy fahasimbana kely ka fiara hafa avy aty Manjakandriana no nanatitra anay tany. Tsy nisy naninona akory izahay fa taitra be fotsiny.
Dia nahafinaritra ny fitsidihana tany : nahita karazam-biby maro be toy ny sifaka, lémurien fulvus, caméléons, crocodile, grenouille, bibilava (maro no sahy nandray an-tanana na dia somary natahotra aza) ...
Rehefa vita ny sakafo atondro, tamin'ny 2 ora tolakandro tany ho any dia raikitra ny lalao ka ny karazana fanenjika no tena natao dia ny police-voleur aloha ary avy eo, maison-hôpital-bureau, ka tena nahafinaritra tsy nisy toy izany. Izay koa mantsy vao mba tena nanao sortie any anaty zava-boary, ny rivotra madio, ny tokotany malalaka be dia bozaka daholo ... tena tsara e! Tena tsara Andriamanitra sady tena tia anay koa izy ary namindrafo taminay ka nanome fifaliam-be ho anay.
Rehefa tonga moa ny tamin'ny 3 ora dia tsy maintsy nody ihany ka dia tonga soa teto tana tamin'ny 5 ora hariva 
Ho anao Andriamanitra ny saotra sy ny voninahitra.

Laza
 
Par Moniteur
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires

Présentation

Hafatra Farany

Recherche

Recommander

Créer un blog gratuit sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus